Fihaonamben’ny tanora mpandraharaha – Newsmada


Hatao ny 16 sy 17 oktobra ho avy izao ny andiany voalohany amin’ny « La rentrée du jeune patronat ». Hetsika natomboky ny Jeune patronat de Madagascar (JPM), vondrona tanora mpitarika sy mpandraharaha manolo-tena ho amin’ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina. « Tan­jona ny hampifandraisana ny tanora mpitantana orinasa, mpampiasa vola, manampahefana ary mpiara-miombon’antoka amin’ny sehatra samihafa. Kendrena koa ny fampivelarana ny tetikasa sy ny fanomezana hery vaovao ho an’ny toekarena », hoy ny filohan’ny JPM, Andriamifidi­manana Lilia, omaly, teny amin’ny Galaxy Village An­draharo, toerana hanaovana ny hetsika. Hisy ny “Master­class” momba ny fahiratan-tsaina artifisialy, ny “marketing digital”, ny famatsiam-bola ary ny toekarena mihodina. “Hifan­toka amin’ny lohahevitra Ma­hita ny anjara masoandro, ny andron’ny 16 oktobra, arahina adihevitra manodidina ny fanomezan-danja ny mpiara-miasa sy ny andraikiny », hoy ny tomponandraikitry ny seraseran’ny JPM, Andrianava­lona Valerie. Hiompana amin’ ny “Misondrota amin’ny maha matihanina” kosa ny lohahevitra horesahina ny 17 oktobra. Hisy ny fifanakalozana manokana momba ny haitao ara-kajy mirindra, ny fitombon’ny varotra, ny “marketing digital”, sns. Miantso ireo tanora, mpan­draharaha, mpamatsy vola, ary mpiara-miombon’antoka rehetra ny JPM mba ho tonga sy handray anjara amin’ity hetsika ity. Miantso ireo mpanohana sy mpiara-miombon’ antoka vaovao ihany koa izy ireo.

Henintsoa



Source link